Fifamoivoizana

Moto sy fiara tsy manara-dalàna Miisa 198 ireo nosavaina, olona 15 no nosamborina


  • Alatsinainy 22 Novambra 2021

Nanohy ny asa fiarovany sy fanampiana ny vahoaka ny Polisim-pirenena ny 19 hifoha 20 Novambra lasa teo.

 Anisan’izany ny fitsirihana ireny moto sy fiara tsy manara-dalàna ireny ka : Miisa 198 ny isan'ny fiara narahi-maso ka ny 05 tamin'izy ireny no voatery najanona tsy navela nandeha intsony noho ny tsy fahatomombanan'ny jiro. Voatery nanamboatra teo noho eo ilay jiro ireo fiara vao afa-nihetsika. 20 kosa ny isan'ireo moto voatery nosakanana tsy navela nandeha noho ny tsy fisian'ny aro-loha sy retroviseur . Teo amin'ny lafiny tsy fandriam-pahalemana indray dia miisa 15 ireo olona nosamborina noho ny resaka vaky trano sy hala-botry ary asa fanendahana. Mbola hitohy ny hetsika eto Antananarivo renivohitra.
Pati
Legende : Nafotaka ny fisavana moto teto
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT