Fifamoivoizana

Moto sy fiara mazda nifandona Maty tsy tra-drano ilay mpitondra moto


  • Alatsinainy 27 Jona 2022

Namono olona indray ny moto na ny kodiaran-droa ny 25 jona teo tany amin’ny lalam-pirenena fahafito.

Lehilahy iray nitondra moto no tra-doza teo amin'ny tetezan'i Filahoana andrefan'Ampahatrimaha distrikan'i Betafo tokony ho tamin’ny 05 ora sy 25 minitra. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nitondra moto ho any Antsirabe io lehilahy io no nifandona tamin'ny Fiara Mazda avy any Antsirabe izany hoe : nifanena ny 2 tonta. Nitondra olona iray moto ity moto ity ka naratra mafy ihany koa ilay olona nentina, saingy efa nentina namonjy ny hopitaly ao Antsirabe ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Ilaina fitandremana sy fahamailoana hatrany ny fitondrana moto eto amintsika. Saika hamoizana aina hatrany mantsy izy ireny indrindra raha mandeha mafy.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao sisa no nihafaran’iulay moto
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT