Fifamoivoizana

Moto-Scooter-Sarety Samy manao izay saim-pantany


  • Talata 21 Janoary 2020

Ny bisikileta, ny « scooter » ary ny sarety sy ny posy koa dia samy manao izay saim-patany amin’ny fifamoivoizana.

Na dia efa noraràna aza ireo posy sy sarety tsy hiditra amin’ny faritry ny afovoan-tanàna dia navela indray izy ireo amin’izao fotoana izao ka dia miandry ny hafainganam-pandehany mora izay fiara tratra aoriany. Ireo izay tsy mitandrina moa dia mety ho voakikin’ny vy be sy ny entana izay entiny. Ireo moto sy bisikileta ihany koa dia tsy manaraka ny lamina momba ny fifamoivoizana. Tsy manaja ny atao « priorité ». Misy amin’ izy ireo azamoa tsy mahafantatra ny lalànamifehy ny fifamoivoizana. Ny mpamily « scooter » aza moa dia miakatra eny amin’ ny faritra natokana ho an’ ny mpandeha tongotra mihitsy. Tena manao izay saim-patany.  Hatreto aloha dia mafy ny asa miandry ny ben’ ny tanàna izay hanova ireo fahazaran-dratsin’ny mponina ireo. Ny resaka fahadiovana sy ny fandriam-pahalemana dia mbola tsy asianay resaka aloha. Raha tsorina dia mikorontana tanteraka Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara. Hita taratra misongadina ny fahantrana sy ny loto ary ny fifamoivoizina.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT