Fifamoivoizana

Moto nisongona “sémi-remorque” Vehivavy 1 maty tsy tra-drano


  • Alakamisy 26 Jolay 2018

Nisehoana loza mahatsiravina indray teny amin’ny lalàn’i By Pass, tsy lavitry ny tetezan’Androndrakely omaly hariva tokony ho tamin’ny 4 ora tany ho any.

 

Lehilahy sy vehivavy nanao taingin-droa no lasibatra, ka ny iray maty tsy tra-drano, ary ny iray kosa naratra mafy ka voatery nentina haingana teny amin’ny hopitaly. Tsy fantatra mazava izay tena anton’ny loza, fa raha ny fanazavana tsotsotra sady vonjimaika, dia nisongona fiarabe “sémi-remorque” ireo lehilahy sy vehivavy nitaingina ity sovaly vy ity, kinanjo tafasisika sy nianjera, ka ilay lehilahy tafatsambikina. Ilay vehivavy kosa lasa tao ambanin’ilay fiarabe, ka vodona ary maty tsy tra-drano. Niteraka fitohanana lavareny ho an’ny fifamoivoizana teny an-toerana sy tamin’ny faritra manodidina mihitsy ity loza nahatsiravina ity satria hatrany Ankadimbahoaka ny fitohanany. Tsy vao izao no nisehoana loza mahatsiravina tamin’iny lalan’i By Pass iny, fa efa matetika. Tsara iny lalana iny, ka halaim-panahy handeha mafy ny mpamily amin’ny ankampobeny. Nialoha io loza nahafatesana olona io, dia fiara tsy mataho-dalana iray mitondra ny laharana 2042T… voalaza fa nentina mpamily mamo mbola tanora herotrerony ihany koa no nandona fiara iray nitondra mpandevina nijanona teo amoron-dalana sy kalesy natosiky ny tovolahy iray nivarotra ireny “coco” ranony teny Ambohimanambola, ka nifatratra tao anaty toerana somary lavaka akaiky tambohon’olona ary nivadika.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT