Fifamoivoizana

Môtô nifatratra tany an-kady Avotra izy mivady, maty ilay zazakely


  • Talata 02 Aprily 2019

Nisehoana loza mahatsiravina teny Anjomakely Bongatsara ny alahady hariva lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora.

 

 

 

 Mpivady niaraka tamin’ny zanany kely vao herintaona sy iray volana monja no nalefan’ny môtô tany an-kady ka nifatratra tamin’ny andrin-tany hany ka  naratra be avokoa rehefa nikasa ny hamonjy fodiana. Raha araka ny vaovao azo omaly hariva dia namoy ny ainy ilay tsy manan-tsiny kely izay nipitika teny amin’ny arabe mihitsy nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza. Izy mivady kosa indray nifatratra tany amin’ilay andrin-tany niaraka tamin’ilay môtô ka ilay renim-pianakaviana no tena voamafy raha ny fanazavan-dreniny.  Tapaka mantsy ny tanany sady  mangana be sy vaky toy ny novonoina ihany koa ny handriny.  Teny amin’ny hopitaly CHRD Bongatsara izy ireo no notsaboina vonjimaika taorain’ny nitrangan’ny loza  ary nanaovana antso avo tamin’ny tambajotram-pifandraisana ireo fianakaviany sy izay olona mety mahalala azy ireo.  Vetivety foana anefa dia tonga ny hafatra ka efa nafindra eny amin’ny hopitaly HJRA izy mivady, omaly. Raha araka ny fantatra dia eny  Mandroseza izy telo mianaka kely ireto no mipetraka. Raha ny vaovao farany azo dia vokatry ny fivoahan’ilay môtô tamin’ny lalana ara-dalàna no nampifatratra azy ireo tamin’ilay andrin-tany be.

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT