Moto nifandona nahafatesana olona 2

Efa nisy lonilony nialohan’ny tranga ?


  • Alarobia 18 Septambra 2024

Mpitondra kodiaran-droa miisa 2 no indray niara-namoy ny ainy tany Antsirabe, Atsimon’Ampihaviana,

eo akaikin’ny Ave Marie ny Alahady 15 Septambra lasa teo tokony ho tamin’ny 12 ora alina sy sasany. Moto scooter Jog 4 nanao taingin-droa no nifanehitra tamina Moto Scooter Kymco izay nanao taingin-droa ihany koa. Nifanena ary nifampikatroka mafy teo amin'ny arabe izy ireo ka simba tanteraka ny fananana raha naratra mafy ireo roalahy samy nentin’izy ireo avy aoriana. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka mahakasika ity loza ity moa ny polisim-pirenena ao Antsirabe amin’izao fotoana izao. Raha araka ny tombana mantsy dia mety ho tovolahy efa nifampanana lonilony izy ireo ary nampiady ny motoany avy hahitana izany tena matanjaka sy tsara nefa mety ho lozam-pifamoivoizana tsotra ihany koa no nitranga. Ny fijoroana vavolombelona hataon’ireo tena nanatri-maso ny loza ihany moa no hamaritra izany ankoatra ny fakana am-bavany azy roalahy naratra.
Nangonin’i Pati
Legende : Potika sy nihintsana tahaka izao ireo moto nifandona !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT