Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo Bel'Air Ampandrana omaly tolakandro teo.
Nifandona ny moto sy ny fiara iray, saika hisongona ilay moto kanjo nivily tampoka ilay fiara, izay tsy nampiasa ny famantarana ilaina amin’izany, raha ny filazan’ny manodidina. Naratra ireto olona roa teo amin'ny moto, ary nifamonjen’ny olona noho ny ratra nahazo azy. Tsy nisy kosa ny aina ny nafoy. Sesilany ary tsy tapaka mihitsy ny resaka lozam-pifamoivoizana, ary matetika ireny moto ireny no lasibatra. Indraindray aza dia hamoizana ain’olona mihitsy, raha tsy hilaza afa tsy ilay tovolahy tafasisika tao ambany kamio, ka maty tsy tra-drano tany akaikin’i Behenjy ny herinandro lasa teo. Ny 29 oktobra teo ihany koa no nisehoan’ilay loza mahatsiravina tetsy Andranomena. Tovolahikely iray nitondra moto scooter no tra-doza rehefa nisongona fiara tsy mataho-dalana avy aty amin'ny ilany an-kavian'ny lalàna mankany Ambodimita izy no notsenain'ny "sprinter", ka nipotsaka ny atidohany ary maty tsy tra-drano. Tsy hay na ny “scooter” mihitsy no tsy voafehintsika eto na ny loza no efa ho avy. Mila mitandrina, ary ilaina ihany koa ny fandraisan’ny manampahefana fepetra hentitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.