MOTO MIAKATRA AMIN'NY TROTTOIRS

200 ireo tratra teny Ambohijatovo nandritra ny 4 andro


  • Zoma 14 Martsa 2025

Saika miakatra amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra avokoa amin’izao ireo mpamily

kodiaran-droa sy bisikileta rehefa amin’ny fotoanan’ny fitohanana. Voakasik’izany manokana ny eny Anosizato sy Anosibe hany ka tsy misy lalan-kaleha intsony ny vahoaka. Nosaziana avokoa ireo tratra omaly nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana omaly. Toraka izany koa ireo taxi-bisikileta miisa telo izay nampidirina am-balampamonjana noho ny fandikana ny lalan’ny fifamoivoizana teny amin’iny faritra iny. Nisy ihany koa ny fiara fitateram-bahoaka narahi-maso. Efa nisy moa ny fanentanana nataon’ny Polisim-pirenena talohan’ny nampiharany izao fanasaziana izao. Ho an’ny tetsy Ambohijatovo manokana moa dia moto miisa 200 no tratra tao anatin’ny 4 andro nanaovana ny hetsika izay tena marobe tokoa.
Pati
Legende : Tahaka izao ny hataon’ireo mpitondra moto teny Ambohijatovo teny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT