Moto eto an-drenivohitra Tsy tokony hihoatra ny 40 km

ora ny hafainganam-pandeha


  • Zoma 25 Martsa 2022

Saro-pady ny fitondrana kodiaran-droa na moto ka ilana fitandremana. Raha sanatria tratry ny lozam-pifamoivoizana mantsy izy ireny dia avy hatrany ireo olona mitaingina azy no lasibatra raha mbola misy vatany miaro kosa izany ho

 an’ny fiarakodia. Izany indrindra no antony nametrahana ilay hafainganam-pandehan’ny moto tsy mihoatra ny 40 km isan’ora raha eto an-drenivohitra, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray misahana ny fifamoivoizana eto amintsika. Nohazavainy moa fa antony mahatonga ny 10%-n’ny loza hataon’ny kodiaran-droa eto amintsika dia vokatry ny olana ara-mekanika avokoa toy ny fipotsahan’ny tsindry hisatra, ny kodiarana vaky… Vokatry ny lalana ratsy sy ny tsy fisian’ny takelaby mari-pamantarana kosa ny 5% raha noho ny tsy fitondran-tenan’ilay mpamily sy ny fandehanana mafy ny 80% ambiny. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy fahaizana mandefitra, ny fandehanana mafy ary indrindra ny tsy fifantohana. Ilana fifantohana tsara mantsy ny fitondrana kodiaran-droa na ny moto mba tsy hitera-doza hoy hatrany ny fanazavana azo.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT