Fifamoivoizana

Moramanga-Anosibe An’ala Lalana 71 km atao adin’ny valo amin’ny moto


  • Talata 28 Jona 2022

Velon-taraina ny olona! Fa angaha moa tsy hoe amboarina indray ny làlana RNT23A mampitohy an’i Moramanga-Anosibe an'ala izay 71km

monja sa mbola miandry ny filoha hametraka vato fototra sy fety be handaniam-bola be tahaka ny natao tany amin’ny RN13? Sa kosa mbola miandry propagandy manaraka indray. Niazo an’iny faritra iny ny Filoha ny febroary teo taorian’ny rivodoza ary nampanantena zavatra maro. Nialoha io, tamin’ny desambra 2021, nambara fa manomboka ny asa fanamboarana (PK-40-PK71) miainga amin’ireo tena simba, ka loharanom-bola anatiny na RPI (Ressources Propres Internes), ary ity taona ity no nilazana fa hisian’ny ezaka hamitana azy ho tara,… Ankehitriny, "mba mamangia ianao prezida , aty tsy afaka fiara, raha ho tonga ianao, alainay amin’ny taxi-moto", hoy ny olona. Tena velon-taraina ny vahoaka satria rehefa ny lalana no ratsy dia tsy misy ny fampandrosoana. Rehefa ny lalana no ratsy dia mihalafo ireo entana ilaina andavanandro. “Tsy honohono fa ny maso no nahita satria dia tsy misy fitaovam-pitaterana ankoatra ny Taxi-moto moto cross mandeha adin’ny valo sy Camion (Douple pont/pont carré : mandeha 24 ora no tonga any an-toerana” hoy ny olona. “Tsy nampino hoe làlana natao ora iray sy 15 min tamin'ny YAMAHA AG.200 itony làlana Moramanga-Anosibe an'ala itony ny 2004-2008”, hoy ny olom-pirenena mampahatsiahy, sady mampitaha ny taloha sy ny ankehitriny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT