Fifamoivoizana

Mizana tsindrian’ila eto Iarivo Hatao hazalambo ny moto, gaboraraka ny sarety


  • Alarobia 07 Oktobra 2020

Mafotaka ny fanenjehana ireo fitaovam-pitaterana tsy ara-dalàna ara-taratasy eto Antananarivo amin’izao fotoana izao.

 Tsy afa-bela amin’io ny taksibe, ny moto,… Ho an’ny omaly, ohatra, dia nasiaka ny fanenjehana sy fisavana ireo moto teny 67Ha, ary tsy misy indrafo ho an’izay misy tsy fahatomombanana kely. Ny manahirana anefa, dia mbola manao ny ataony ny sarety. Mibahan-dàlana, tsy manaja ny fepetran’ny fifamoivoizana,… Satria ve ireny afaka mitokona sy manakan-dàlana dia atahorana? Natao ho an’iza ny lalàna eto Antananarivo? Tsy sanatria manavakavaka ary marina fa ato anaty krizy isika, fa zary mety ho fositra sy lesoka ho antsika eto Madagasikara ny hoe: satria sahirana dia tokony havela handika lalàna. Mila fandrindrana sy fandaminana isika, mba ho amin’ny tombotsoan’ny daholobe.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT