Fifamoivoizana

Mitombo ny loza ateraky ny faharatsian'ny lalana Mandoa hetra isaky ny solika 1 litatra anefa ny fiara rehetra


  • Zoma 06 Janoary 2023

Mandoa hetra isaky ny solika 1 litatra ny fiara rehetra mampiasa lalana hikojakojana ny lalana, hoy ny mpanao politika Heritiana Rasoamiaramanana na Zaref.

Mitombo ny loza ateraky ny faharatsian'ny lalana, hoy izy, ary tena tsy rariny na “injustice” izany. Samy miaritra sy mitazana eto tokoa ve izany manoloana ny zava-misy? Isan’ny fanontaniana napetrany io ary noresahany manokana tao anatin’izany moa ireo lalam-pirenena RN7 sy RN34. Tetsy ankilany koa ny mpanao politika sady mpamakafaka, Faniry Razafimanantany, dia nitatitra an-tsary tao anaty tambazotran-tserasera tao ny diany tany amin’iny lalam-pirenena faha 6 na RN6 iny. Izao, hoy izy, izany no lalana heverina hitondra fampandrosoana eto Madagasikara aty amin’ny taona 2023. Lalana mamotaka sy iandronana ranom-potaka na koa ilay esoin’ny mpanara-baovao sasany amin’ny hoe “piscine”.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT