Fifamoivoizana

Mitaraina ny mpanjifa Misy manararaotra ireo mpitatitra


  • Alatsinainy 11 Mey 2020

Taloha mbola tsy nisy fihibohana , 1000 ariary ny saran-dalan’ny zotra F raha miainga any Ambatofotsy ka ho any amin’ny Cnaps Ampefiloha. Raha eny antenatenany ianao no mandray,

 

ohatra hoe, eo Anjomakely na Amboanjobe dia eo amin’ny 800 ariary no sarany na 600 ariary. Raha Fiadanamanga na Iavoloha no mandray dia 500 ariary izany. Amin'izao anefa dia na Anjomakely no mandray na Amboanjobe na Iavoloha na Fiadanamanga dia 1 000 Ariary avokoa izany, hoy ny mpanjifa iray nitaraina satria hono mandeha any amin’ny Bypass no lalana kanefa taloha tsy nihetsika ny sarany fa mijanona 500 ariary ihany izany na bypass no lalana na tsia. Milaza izy ireo fa maty antoka amin’izao fahamehana ara-pahasalamana izao nefa manao sarany midangana izay tsy ahitana tapa-dalana mihitsy . Isan’ny mampitaraina ireo mpanjifa sasany amin’ny mpanampy mpamilin’ity zotra ity ihany koa dia ilay izy ireo tsy milaza ny tena saran-dalana marina fa avy hatrany dia manapoka ireo mpandeha rehefa tonga any amin’ny aleha rehefa mitaky famerimbola ilay mpanjifa. Zary fanararaotan’ireo mpitatitra tia kely araka izany ity f`ahamehana ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT