Fifamoivoizana

Mitaraina ny koperativa Feno taxi moto eny amin’ny fiantsonan’ny taxibe


  • Alakamisy 10 Novambra 2022

Ankoatra ny fiara karetsaka dia lasa olana ho an’ny taxibe ihany koa amin’izao ny taxi moto.

Tsy misy toerana izay tsy ahitana azy ireny miantsona intsony mantsy eny amin’ireo tobim-piantsonan’ny taxibe eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy iray tsy roa ihany koa fa mahatratra hatrany amin’ny 15 isa mihitsy izy ireny raha kely no sady mahavatra mitsena sy manontany olona etsy sy eroa. Mahatsiaro ho sahirana vokatr’izany ireo taxibe. Eo an-danin’izay tsy mbola misy mari-pamantarana ireo taxi moto mihitsy eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Mbola tsy manao fanamiana mitovy izy ireo. Mbola tsy manana badge hiavahany amin’ny hafa ihany koa. Efa tena mahazo laka tanteraka anefa ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Mbola misy hatrany ireo olona mitaingina moto dia very fananana nefa handeha hiasa sy hianatra….Manao antso avo amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra araka izany ireo koperativa miasa sy mitatitra olona eto an-drenivohitra sy ny manodidina mba hijery akaiky ny mikasika izany. Marihina moa fa manomboka amin’ny 5.000 Ar ny saran-dalan’ny taxi moto amin’izao. Io no farany ambany indrindra raha misy mahatratra hatrany amin’ny 15.000 Ar raha somary mivoaka ny renivohitra mandeha lavidavitra.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT