Fifamoivoizana

Minisitry ny atitany “Afaka mandeha malalaka ny zotra rejionaly”


  • Talata 16 Jona 2020

Nanamafy ny voalazan’ny Filoham-pirenena ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana sady Filohan’ny CCO Covid-19 fa ny distrika rehetra ankoatra an’i Toamasina I, Toamasina II, Moramanga, Fenoarivo Atsinanana ary ny Faritra Analamanga dia noezahina hiverina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro.

 

 

 

Efa noezahina naverina amin’ny laoniny avokoa ny fiainana manerana ny Nosy, hoy io Minisitra io. Tsy misy intsony ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina ankoatra ireo toerana ireo. Ho an’ny fitaterana manokana, ireo zotra rejionaly, dia tsy misy olana toa an’Antsirabe mankany Ambositra ohatra, izay tsy mila fangatahana fahazoan-dàlana. Ilaina ary tsy maintsy manana fahazoan-dàlana kosa ny mivoaka sy miditra amin’ireo distrika 4 sy ny faritra Analamanga. Mbola ao anaty fahamehana isika, ka ireo kilasy hanala fanadinana ihany no mianatra manerana ny Nosy, raha ny fanazavany

. Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT