Fifamoivoizana

Minisitry ny asa vaventy vaovao Hanaovana ezaka manokana ny lalam-pirenena faha 13


  • Zoma 20 Aogositra 2021

Laharam-pahamehana ho an’ny Ministry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy vaovao Hatrefindrazana Jerry ny asa fanamboaran-dalana mba hahafahan’ny olona sy ny vokatra mivezivezy

. Lohalaharana amin’ireny ireo efa an-dalam-panamboarana toy ny lalam-pirenena faharoa raha tsy latsa-danja amin’izany ihany koa ireo efa tena ratsy, mila fanamboarana maika. Ho an’ny lalam-pirenena faharoa ohatra dia efa mandeha ny asa. Hojerena akaiky ihany koa ny lalam-pirenena fahafito ary hanaovana ezaka ny fanamboarana azy raha tsy latsa-danja amin’izany ny lalam-pirenena faha-44 izay efa mandroso ny asa ankehitriny. Hasiam-panamboarana ihany koa ny lalam-pirenena faha-6 sy ny mampitohy ny lalam-pirenena faharoa amin’ny lalam-pirenena faha-5 A. Toraka izany koa ny lalam-pirenena faha-13 izay hanaovana ezaka manokana.Tontosa soa aman-tsara, omaly, teny Anosy ny fifamindram-pahefana teo amin’ny ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy teo aloha, Andrianainarivelo Hajo, sy ny ministry ny Asa Vaventy Vaovao, Hatrefindrazana Jerry.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT