Fifamoivoizana

Minisitra Beboarimisa Ralava Efa nojerena ny « déblocage » ny vola ho an’ny mpitatitra


  • Zoma 29 Jona 2018

Nisy fifandaminana nifanarahana tamin’ireo mpitatitra fa hatsahatra nanomboka omaly alakamisy 28 jona ny fitokonana nataon’izy ireo, hoy ny minisitry ny fitaterana sy famantarana ny toetrandro, Beboarimisa Ralava, fa efa nojerena ny « déblocage » ny vola fanampiana fanome azy ireo.

 

 Harahan’ny minisiteran’ny fitaterana maso tanteraka kosa anefa manomboka eto ny kalitaon’ny asa hatolotr’izy ireo dia ny fampiharana an-tsakany sy an-davany ny « cahier de charge ». Marihana fa ny iray tamin’ireo fikambanan’ireo mpitatitra amin’ny 3 misy no nanatanteraka  fitokonana tamin’ny  alarobia 27 jona 2018 lasa teo teto Antananarivo. Mitovy avokoa, hoy ny minisitra Beboarimisa Ralava, ny fepetra ho an’ny mpitatitra tsy an-kanavaka.  Marihako  fa misokatra ho an’ny rehetra amin’ny fifanakalozan-kevitra ny minisitera tantanako, hoy izy.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT