Fifamoivoizana

Minisiteran’ny fitaterana Namory ireo injeniera anatin’ny GST


  • Alarobia 26 Aprily 2023

Nihaona tamin’ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro ireo mpikambana ao amin’ny « Groupement des Ingénieurs du secteur transport »

na ny GST izay mpikambana anatin’ny “Fédération National des Organisations des Ingénieurs Malagasy”, araka ny fampahafantarana nataon’io Minisitera io omaly. Tanjona amin’izany ny fifanomezan-tànana sy ny handinihana paikady mahomby entina mampandroso sy manatsara ny sehatry ny fitaterana amin’ny lafiny rehetra. Amin’ny maha manam-pahaizana ireo mpikambana ao amin’ny GST izay ivondronan’ireo injeniera momban’ny fitaterana an-dàlamby, an-tanety, an-dranomasina sy an-dranomamy ary anabakabaka dia maro ny dinidinika nivoaka nandritra ny fihaonana, isan’izany ny paikady mahakasika ny aro lozan’ny fifamoivoizana izay imasoan’ny Minisitera ankehitriny. Nomarihina ihany koa moa fa mifototra amin’ny fampandrosoana ny asam-pitaterana mba ho matihanina ny GST, izany hoe mijery akaiky ny fanomezana fahafam-po ho an’ireo mpanjifa, ny anjara birikiny entin’ny fitaterana amin’ny toe-karena, ny fandraisana anjara amin’ny famolavolana ny lalàna, ny torolàlana amin’ny sehatra tekinika sy ny tekinolojia,... Rehefa zohiana, manetsika ireo manam-pahaizana sy mpisehatra vonto traikefa amin’ny sehatry ny fitaterana sy ny manodidina azy ity Minisitera ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT