Fifamoivoizana

Minisiteran’ny fitaterana Nahazo fitaovana hitsirihana ny tahan’ny alikaola ho an’ny mpamily


  • Alakamisy 31 Mey 2018

Ankoatra ny tsy fahatomombanan’ny fiara sy ny fampiasana karazana kojakoja tsy mifanaraka amin’izy ireny amin’ny ankapobeny dia anisan’ny antony faharoa miteraka ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika ihany koa ny fandraisan’ny mpamily zava-pisotro misy alikaola.

Mba ho fiarovana ny ain’ireo mponina eto amintsika ary dia nanolotra kits mifandraika amin’izany maromaro ho an’ny minisiteran’ny fitaterana omaly ny Vivo Energy. Tanjon’izy ireo ny hampihenana  ireo karazana lozam-pifamoivoizana mitranga eto amintsika izay nomarihin’izy ireo fa tena marobe tokoa, indrindra fa ny eny an-dalam-be ka anisan’ny lohalaharana amin’izany ny fanovana ny fitondran-tenan’ny mpamily sy ny kolontsainy. Nomarihin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Vivo Energy moa fa ankoatra ny fanofanana sy fanovana ny mpamily tahaka izao dia ilana fanovana sy fanaovaozana ihany koa ny torolalana momba ny fifamoivoizana eto amintsika. Toraka izany koa ny fanentanana sy fampianarana ny mpandeha an-tongotra, ny fanatsarana ny fandrindrana ny fifamoivoizana ary ny fanamafisana hatrany ny fanaraha-maso ireo mpamily.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT