Fifamoivoizana

Mila vahaolana mivaingana ny RN2 Manome 5 andro ho an’ny Fanjakana ireo mpitatitra


  • Talata 17 Janoary 2023

Raikitra omaly ny grevin’ireo fiara kamio mpitatitra entana any amin’ny RN2. Tapaka tanteraka ho an’ireo fiara vaventy noho izany tao Ankarefo RN2 io omaly io.

Mbola fitokonana fanairana ihany anefa, fa hivadika ho grevy faobe ho an’ny kamio mpitatitra manerana ny Nosy, raha tsy misy ny vahaolana. Manome fe-potoana 5 andro noho izany ireo fiara mpitatitra entana, mitaky vahaolana mivaingana, toy ny fitrongisana ireo làlana tena ratsy be, arahin’ny fanamboarana aorian’izay satria betsaka ny voka-dratsin’ny làlan-dratsy: loza, fahasimbana, fitomboan’ny fandaniana solika,… Nilaza moa izy ireo, fa tsy hanararaotra, fa mba mangataka valin-teny ao anatin’izay 5 andro, mba ahafahan’izy ireo miasa. Mangataka ny tsy handalovana “station de pesage” ihany koa aloha izy ireo mandra-pisian’ny vahaolana. Ny piesy lafo, ny solika iaraha-mahalala fa efa niakatra, izay isan’ny mamaritra ny vidin’entana ilaina amin’ny andavanandro satria tsy maintsy any no manarina ny fatiantoka amin’ny ankampobeny. Tena miantraika amin’ny any anaty vilanin’ny vahoaka noho izany ny fahasimban’ny làlana. Ny herinandro lasa teo kosa no nilaza ny Minisitry ny asa vaventy Jerry Hatrefindrazana fa hanomboka ny 15 febroary 2023 ny fanamboarana ny RN2, izay nolazaina fa tsy namokatra ny tolo-bidy nalefa teo aloha ka haverina. Nolazaina fa hamboarina avokoa ny RN2, RN4, RN7,… izay tsy vao izao no nandrenesana fampanantenana fa ny vokany mbola poakaty hatreto. Tetsy andaniny, momba ny famatsiana entana, nilaza ny Minisiteran’ny varotra tamin’ny alalan’ny Talen’ny varotra anatiny Atoa Andry Andriamahefa, fa mbola tsy misy atahorana ny famatsiana entana ilaina amin'ny fiainana andavanandro manoloana ny fitokonana ataon'ny mpitatitra fiara lehibe amin'ny lalam-pirenena faharoa" hoy ny talen'ny varotra anatiny, Andry Andriamarimahefa. "Ny faritra atsimo Andrefana afaka mamatsy ny faritra matsiatra Ambony. Ho an'Antananarivo, tsy maintsy misy ny fiaraha-miasa amin'ny mpanafatra entana matanjaka mipetraka eto Antananarivo izay manana ny fitaterany mba tsy hisian'ny fahatapahana famatsiana". Mety hisy fiatraikany ihany amin'ny vidin'entana anefa izany raha lavareny ny fitonkonana hataon'ny mpitatitra fiara lehibe, raha ny fanazavana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT