MIANDRIVAZO

Hamidy 5800Ar


  • Zoma 04 Oktobra 2024

Hamidy amin’ny bidon eny amoron-dalana ny gazoala any amin’ny lalam-pirenena

faha-34 sy faha-35 miazo ny Faritra Menabe. Voakasik’izany manokana ny ao Miandrivazo sy Mahabo izay hakan’ireo mpanararaotra tombony be mihoampampana tokoa. Tafakatra 5.800 Ar mantsy ny iray litatra amin’izany raha tokony ho 4.900 Ar ny ara-dalana. Noho ny tsy fisian’ny gazoala eny amin’ny tobim-pivarotan-tsolika no voalaza fa anton’izany raha misy kosa ny lasantsy. Milahatra mitandavana toy ireny milaha-drano eny amin’ny paompy ireny ny bidon miloko mavo hivarotana gazoala vokatr’izany any amin’ireo lalam-pirenena roa ireo. Kofona ary tena fanina tsy misy manan-koraisina intsony noho izany ireo mpamily taxi-brousse sy mpampiasa lalana sendra lany solika any amin’ireo distrika miisa roa ireo raha araka ny vaovao voaray. Efa ho herinandro mahery moa izao no niainan’ireto farany izany koa hanaovany antso avo amin’ny tompon’andraikitra.
Pati
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT