Fifamoivoizana

MAZDA SY MOTO NIFANDONA Mpitondra moto iray maty teny Ambatolampy


  • Talata 19 Novambra 2024

Mirongatra sy mahazo vahana indray ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny kodiaran-droa tato ho ato.

Moto iray sy fiara Mazda iray no nifandona afak’omaly Alahady 17 Novambra tany Ambohimanazaka, Ambatolampy. Tafiditra tao ambanin’ny kodiaran’ilay mazda vokatr’izany ilay moto ka namoy ny ainy na dia efa nentina notsaboina sy niala nenina aza. Noho ny tsy fitandreman'ilay mpitondra moto moa no voalaza ho nahatonga ny loza. Tsy nanaraka ny lalana tandrify azy mantsy izy no sady mbola nandeha mafy ihany koa. Ankoatra ity tranga mampalahelo ity moa dia mpitondra moto iray ihany koa raha tsiahivina no namoy ny ainy tamin’io afak’omaly Alahady io teo aloha kelin'i Beronono lalam-pirenena voalohany. Mpisakaiza izy ireo no nitondra ilay moto ka nifandona tamin'ny fiara taxi-be an’Imerintsiatosika. Namoy ny ainy teo noho eo moa ilay lehilahy nitondra ny moto raha tapaka nipitika mihitsy ny fean’ilay tovovavy niaraka taminy. Tsiahivina moa fa mahatratra 10 isan’andro ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Ny 80%-n’izany dia avy amin’ny mpamily avokoa raha olana ara-teknika mahazo ny fiara na moto ny 20%.
Pati
Legende : Mamono olona hatrany ny kodiaran-droa eto amintsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT