Fifamoivoizana

Mazda nihitsoka familiana 1 maty, 3 naratra


  • Zoma 08 Febroary 2019

Tamin'ireo dimy mpandeha, telo naratra mafy, iray maty tsy tra-drano. Io no vokatry ny lozam-pifamoizana tamin'ny talata 5 febroary farany teo, sahabo ho tamin'ny 9 ora alina, araka ny loharanom-baovaon'ny zandarimariam-pirenena eo Andrefan'Ambohijanahary.

 

 

 

 Raha iny nizotra hihazo an'i Mahabo, Distrikan’Ankilizato iny ny fiara mpitatitra marika "Mazda", avy any Antsirabe hihazo an'i Morondava no nihitsoka tampoka ny familiana ka niala ny lalana ary namantana tamin'ny vatan-kazo. Rehefa avy nifandona tamin'io vatan-kazo io ilay fiarakodia, teo amin'ny PK 320 +120 an'iny lalam-pirenena faha-35 iny, nivarina tany anaty hantsana, araka ny fampitam-baovaon'ny zandary. Ny Borigadin'ny zandarimariam-pirenena ao Ankilizato no nanatanteraka ny fitsirihina.

Araka ny loharanom-baovao any an-toerana, noho ny tahotra ny dahalo mpanakan-dalana matetika, mirifatra ny mpamily amin’iny faritra iny, indrindra amin’ny alina tahaka ity tranga farany ity. Tsy vitsy ny loza mety mitranga. Ary amin’ny fisian’ny lozam-piarakodia toy izao, manararaotra ireo dahalo mandroba. Tsara vintana anefa ireto tra-doza ireto fa nampandre ny zandary teo akaiky ka tsy tratran’ireo malaso fa tonga ara-potoana ireo mpitandro filaminana. Mampitaraina ireo mpandeha ihany koa ny fahasimban’ny lalana.

 

Haja Nirina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT