Fifamoivoizana

Maroantsetra Naverin-dàlana ilay fiaramanidina


  • Talata 26 Mey 2020

Niainga omaly ireo mpandeha tamina fiaramanidina madinika niaraka tamin'ny mpanamory hihazo an'i Maroantsetra.

 

 

 

Nandalo fitiliana na “barrage sanitaire” ireo mpandeha tao Antalaha. Tonga soamantsara tany Maroantsetra ny sidina, ary nipetraka teo amin'ny seranam-piaramanidina Maroantsetra. Ny toromarika izay voarakitra anatin'ny NOTAM, dia i Toamasina 1 sy Toamasina 2, Faritra Atsinanana no voakasiky ny fepetra tsy hahafahana miditra sy mivoaka, fa ny Faritra Analanjirofo izay misy an'i Maroantsetra tsy tafiditra. Tsy misy mpanamory fiaramanidina hitondra mpandeha amin'ny faritra tsy azo idirana, ny “Plan de vol” sy ny anaran'ireo mpandeha rahateo dia efa ampahafantarina mialoha, na ho an'ilay seranam-piaramanidina hiaingana na ilay hipetrahana, izy rahateo namela ilay fiaramanidina hipetraka teo amin'ny seranana. Nandritra ny ora 1 no nifampiraharaha ny mpanamory fa tsy neken'ny Commissaire sy ny Commandant de compagnie de la Gendarmerie hiditra ao Maroantsetra ireo olona ireo, ka dia nitodi-doha niverina Antalaha ny fiaramanidina nitondra azy ireo, hoy ny vaovao.

 Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT