Fifamoivoizana

Maridaza RN2 Naratra mafy ilay zazalahy voadonan’ny fiara


  • Alakamisy 17 Jona 2021

Zazalahy kely iray manodidina ny 10 taona eo ho eo no voadonan'ny fiara fourgon tao Maridaza,

 

 

 

 lalam-pirenena faharoa omaly maraina. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia niampita ity tovolahy kely ity no tra-doza. Kazaran’irony avy nianatra na nirahina irony no fahitana azy. Noho ny hamafin’ny dona nahazo azy anefa dia nitolefika teo amin’ny toerana nahavoadona azy ity tovolahy kely ity ka nentina haingana nihazo ny hopitaly ao Manjakandriana. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy moa ilay tovolahy kely tamin’ny fotoana nanoratanay omaly. Marihina fa na dia somary ratsiratsy aza ny lalam-pirenena faharoa dia saika mandefa mafy avokoa ireo mampiasa iny lalana iny ka tokony samy ho mailo ny rehetra.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT