Fifamoivoizana

Marais Masay Fiara 4x4 Tucson namono mpandeha an-tongotra


  • Talata 19 Febroary 2019

Nisehoana loza mahatsiravina indray teny amin’ny Marais Masay omaly alatsinainy18 febroary hariva tokony ho tamin’ny 6 ora latsaka fahefany teo.

 

 

Mpandeha an-tongotra miisa 2 no indray voadonan'ny fiara tsy mataho-dalana marika “Tucson”. Nandeha tamin’ny fisarahan’ny lalana afovoany amin’ilay misy andrin-jiro iny izy ireo no nohitsian’ilay fiara avy any amin’ny “rond point” eo Masay saika hihazo an’Ankorondrano, ka voadona mafy ary nipitika mihitsy. Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray izay toa nandoa ra sy naratra mafy, ary ny iray mbola nalefa haingana tany amin'ny hopitaly. Nitsimbadika taty amin’ny lalana ilany mifanohitra tamin’ny nandehanany mihitsy moa ilay fiara. Nanao ny fanamian’ny mpanao baolin’ny Klioba FC Tambatra Sabotsy Namehana ilay lehilahy namoy ny ainy. Tsy fantatra mazava na olana teknika no nahatonga ilay fiara ho tsy tafajanona na vokatry ny fandehanana mafy, ka tsy tana intsony ny familiana. Malalaka sy tsara ary tsy dia ahitana fitohanana firy rahateo amin’iny lalana Marais Masay iny, ka matetika alaim-panahy ny mpamily handeha mafy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT