Fifamoivoizana

Manjakavaradrano, kaominina Mahatsinjo Fiara sprinter iray no nilatsaka an-tanimbary


  • Alatsinainy 14 Novambra 2022

Fiara sprinter mpitatitra olona no tra-doza nilatsaka an-tanim-bary sahabo ho 20 metatra miala ny arabe tao anaty fidinana sy fiolahana teny amin’ny lalam-pirenena faha-4 (PK 202+300), Manjakavaradrano,

kaominina Mahatsinjo, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Tsy nisy aina nafoy tao anatiny fa samy naratra avokoa. Simba tanteraka ny fiara noho izy nivadibadika ambony ambany. Araka ny fitantaran'ny mpandeha dia tapaka hisatra sady nandeha mafy tao anaty fiolanana sy fidinana ilay fiara. Nitondra mpandeha 25 isa avy nanatitra taolam-balo tany Ikalalao, distrika Ambohimasoa, faritra Matsiatra ambony ho any amin'ny fokontany Anosinalainolona, distrika Marovoay, faritra Boeny io fiara io no izao tra-doza izao. Nalefa any amin’ny CSB2 Andriba ireo olona miisa 20 tena naratra mafy. Isan'izany ireo mpamily roalahy ary efa misy miambina ihany koa ny entan'ny mpandeha sy ny fiara, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT