MANJAKANDRIANA

Lehilahy maty voahitsaky ny fiaran-dalamby


  • Alakamisy 19 Jona 2025

Lehilahy iray no namoy ny ainy teo noho eo voahitsaky ny fiaran-dalamby

manandrify ny 16 Jona lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany alina teo amin’ny Total, Fokontanin’i Manankasikely, kaominina ambonivohitr’i Manjakandriana. Fiaran-dalamby avy any Antananarivo ho any Toamasina no nanitsaka ity olona ity. Eo amin'io toerana io moa dia milahatra ny lalamby sy ny lalam-pirenena ka raha sendra nijanona teo amin'ny sisin-dalana ny fiara narahin'ity olona ity dia naka sisiny teo ambony lalamby izy mba hiantso olona amin'ny finday.Araka ny voalazan'ireo nanatri-maso dia tsy naheno mihitsy ity ranamana ity na dia nampaneno anjomara lavareny aza ny mpanamory fiaran-dalamby izay efa niezaka nanery ny hisatra. Ny làlana rahateo hivezivezen'ireo fiara lehibe mamoaka feo ambony be. Indisy fa efa akaiky loatra vao nahita ny loza ilay lehiilahy ka tsy hitany intsony ny làlana nalehany. Potika tanteraka ny vatany, raha araka ny vaovao azo. Tapatapaka nodiavin'ilay kodiarana vy.
Pati
Legende : Tahaka izao no fisehon’ny loza ka nahafaty ilay lehilahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT