Fifamoivoizana

Manery ny Fanjakana “Hahita loza ny taxibe manao saran-dàlana 800 Ar”


  • Talata 19 Jolay 2022

“Tsy misy adihevitra intsony fa 600 Ar ny saram-pitaterana eto Antananarivo Renivohitra'', hoy ny tomponandraikitry ny Fitaterana an-tanàn-dehibe, ny kaomisera Ainanirina Albert Estel omaly alatsinainy 17 jolay 2022.

Manenjana ary manome fe-potoana hatramin’ny alakamisy 21 jolay hamerenana ny saran-dalana ho 600Ar ho an’ireo zotra manerana ny Kaominina Antananarivo amin’ny tamin’ny alalan’io tompon’andraikitra io. Manitrikitrika fa io 600Ar io no efa nifanarahan'ny mpitatitra tamin'ny Fanjakana. Nanitrikitrika ity tompon’andraikitra ity, fa hosaziana mafy izay tsy manaraka izany hampidirina am-balam-pamonjana na “fourrière”, hosintonina ny fahazoan-dàlana hanao asam-pitaterana na “licence”,… ho an’izay mbola mampihatra saran-dàlana 800Ar aorian’ny alakamisy izao. Hisy afisy hapetaka isaky ny fiara, manambara fa 600 Ar ny saran-dalana. ''Izay minia tsy mametaka izany dia midika fa mbola mampihatra ny saran-dalana 800 Ar'', hoy hatrany ny kaomisera, Ainanirina Albert Estel. Raha hiverenana, ny 11 jolay teo, tapa-bolana mahery izay no niakaran’ny vidin-tsolika ho 4900Ar ny gazoala raha 3400Ar teo aloha, ary 5900Ar ny lasantsy raha toa ka 4100Ar teo aloha. Fiakarana 1500Ar sy 1800Ar isaky ny litatra, izay nahatonga ny fiakaran’ny saran-dàlana rehetra amin’ny ankampobeny. Mahatratra 43% ny fiakarana, ka ny takarivan’io no nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 600Ar ny saran-dàlana nifanarahana tamin’ireo koperativa ho an’ny taksibe eto Antananarivo Renivohitra sy ireo manodidina taorian’ny adihevitra niarahany tamin’ny solontenan’ny mpitatitra. Ny ampitson’io, nisy ireo taksibe nigrevy, milaza fa tsy maty antoka, ary tsy arakaraka ny fiakaran’ny vidin-tsolika ny fiakarana 100Ar izay isaky ny mpandeha, izay 20% raha mitaha amin’ny saran-dàlana 500Ar teo aloha. Nisy ireo nanao saran-dàlana 600Ar, nisy ny nitaky 700Ar, tao ny nanambara fa 800Ar, ka nanomboka ny sabotsy te odia nampihatra tamin’ny fomba ofisialy ny fampiharana ilay 800Ar ny Vondron’ny mpitatitra ao anatin’ny FMA (Fitaterana Mirindra ho an’Antananarivo) ahitana ny zotra 163, 192,194, miampy ireo zotra sasany ao anatin’ny Vondron’ny mpitatitra an-tanan-dehibe na UCTU.

TSY TE HO RATSY EO ANATREHAN’NY VAHOAKA
Tsy misy dinika sy alaharo alaharo intsony izany, fa miditra amin’ny fanerena ny Fanjakana fa io 600Ar io no tsy maintsy hampiharina na faly na tsy faly ny mpitatitra. Sazy no miandry izay minia mianankendry tsy manaja an’io, mampahatsiahy ilay tenin’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina raha nigrevy ny zotra 182 hoe “Atero any amin’ny Kaominina ny licence rehefa tsy hiasa, fa mahita taksibe maro homena izany ny kaominina”. Asa ho an’ny vahoaka ny asam-pitaterana, ary lojika ny tsy tokony hisian’ny fanararaotana be. Asa fandraharahana misy fampiasam-bola ihany koa anefa, ka tsy maintsy mitady izay ho tombony. Sarotra ny adihevitra satria ny Fanjakana tsy te ho ratsy eo anatrehan’ny vahoaka ary matahotra fipoahana ara-tsosialy ka manery fa tsy maintsy io 600Ar io no ampiharina. Ny andaniny efa nanenjana satria milaza fa maty antoka ka asa izay ho tohiny.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT