Fifamoivoizana

Manenjana ny zotra nasionaly Niakatra ny saran-dàlana, mitaraina ny mpandeha


  • Talata 21 Desambra 2021

Raikitra ny fampiakarana saran-dàlana ho an’ny zotra nasionaly miainga etsy amin’ny Gara Maki Andohatapenaka ka 5000Ar hatramin’ny 20000Ar eo ho eo io.

 Gaga ny mpandeha satria efa eny an-toerana vao mahalala fa niakatra ny saran-dàlana, ary mitaraina mafy eo anatrehan’ny zava-misy. Nanomboka ny sabotsy 18 desambra teo no nihatra, ka lasa misy endriny roa ny saran-dàlana, ka misy ny vanim-potoana fialan-tsasatra fahabetsahan’ny mpandeha “haute saison” na “HS” sy ny somary maha vitsy azy na “basse saison” na “BS”, saingy miakatra ireo amin’ny ankampobeny fa ny elanelana no tsy mitovy. Ho an’ny zotra Antananarivo Mahajanga, ohatra, raha 30000Ar amin’izao, dia niakatra ho 50000Ar ankehitriny izay tafiditra ao anatin’ny “haute saison” ary 40000Ar amin’ny “basse saison”. Efa io 50000Ar io no nihatra nanomboka ny sabotsy lasa teo. Antananarivo-Bealanana raha 65000Ar dia lasa 80000Ar sy 70000Ar; Antananarivo-Toamasina raha 20000Ar dia lasa 30000/25000Ar,… Ny haratsian’ny làlana, vidin’ny fitaovana, ny fikojakojana ny fiara,… moa no voalaza fa isan’ny antony hampiakaran’izy ireo ny saran-dàlana. Tsara ny mampahatsiahy, fa efa nanomboka ny 22 febroary ny zotra nasionaly no nilaza fa hampiakatra saran-dàlana. Nisy anefa ny fihaonana teo amin’ireo solonten’ny mpitatitra sy ny Minisiteran’ny fitaterana, ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT),… ka nilazana tamin’izany fotoana izany, fa hisy ny komity iraisana hatsangana ka didim-panjakana no manendry azy. Nolazaina tamin’izany, fa tsy misy afaka manao fampiakarana raha tsy ny komity no manapaka, saingy tsy fantatra hatreto ny tohiny mikasika io komity io.
SAO MBA TOKONY HOJERENA IHANY NY MPANJIFA?
Ny lalàna 2004-053 tamin’ny 28 janoary 2005 no mifehy ny politikam-pitaterana an-tanety, ka isan’ny mamaritra ny tsy tokony hitsabatsabahan’ny Fanjakana amin’ny resaka sarany na “tarifs” sy ny fifaninana na “concurrence” io. Na izany aza, mila jerena akaiky ihany sao mba tsy fifaninana no miseho fa fanararaotana. Ao anatin’ny krizy isika ankehitriny, ekena fa ao anatin’ny asa fandraharahana mitady tombony ny fitaterana, kanefa tokony hisy ihany ny fifampijerena sy fifampitsinjovana ary ny marimaritra iraisana amin’izao vanim-potoana sarotra izao.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT