Fifamoivoizana

Manenjana ny mpitatitra Malemy tsisy atoraka ny fanjakana


  • Alarobia 06 Mey 2020

Nanamarika ny andro omaly ny adihevitra momba ny fitaterana teto Antananarivo sy ny manodidina.

 

 

 

Nilaza tsy hiasa ireo vondron’ny mpitatitra ao anatin’ny UCTU sy UCTS, saingy nisy ihany ny fiara nisafidy ny hiasa satria nisy rahateo ny fanambarana nataon’ny Tale Jeneralin’ny ATT Jeneraly Reribake Jeannot fa tokony havela hiasa izay te hiasa, ary malalaka izay tsy te hiasa. Tsy dia nisy olana teo amin’ny samy mpitatitra tamin’ny ankapobeny fa ny vahoaka no nijaly. Ny ankapobeny izay, fa nisy ihany ny tranga hafa, toy ny fanakanan’ireo nisafidy ny tsy hiasa an’ireo nanohy ny fitaterana teny Sabotsy Namehana. Ny fanjakana dia milaza fa asam-bahoaka io ary nisy fifanarahana mazava. Vitan’ny mpitondra no nanao “requisition d’office” na fakana ny haino aman-jery ho filan’ny fanjakana handefa ny fandaharana manokana. Tsy nisy fifampiresahana fa amboletra avy hatrany, ary narahina fandrahonana aza. Samy asa fandraharahana ny fitaterana sy ny tontolon’ny haino aman-jery, samy maty antoka ny fandraharahana samihafa, samy mizaka ny gejan’ny fanjakana,… Inona no tsy fahavitan’ny fanjakana manery ihany koa ny mpitatitra hanao ny asam-bahoaka amin’izao fotoana izao kanefa vita ny mandrahona sehatra hafa? Mila fitaterana ny olom-pirenena ary adidin’ny mpitondra ny mamaha ny olana amin’izay hifanarahany amin’ny mpitatitra any fa mijaly ny olona. Maninona marina moa raha omena solika amin’ny vidiny mora ny mpitatitra? Tonga dia manery ireo kaompania lehibe ireo ny fanjakana tahaka ny natao tamin’ny haino aman-jery raha tena mafy sy manana ny fahefany tokoa? Ny vidin-tsolika teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena rahateo nitotongana, ary efa tokony hiantraika aty Madagasikara.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT