Fifamoivoizana

Mandraka – RN2 Fiara be nivadika, nanapaka ny fifamoivoizana


  • Alatsinainy 27 Martsa 2023

Nanapaka tanteraka ny fifamoivoizana teny amin’ny RN2 eny Mandraka indray ilay fiara « camion »

lehibe iray izay nivadika ny sabotsy 25 martsa 2023 lasa teo, tokony ho tamin’ny 8 ora maraina teo ho eo. Lasa mateti-pitranga eny amin’iny lalam-pirenena iny mihitsy matetika ny fivadihana fiara lehibe toy izao. Faninadroany tao anatin’iny herinandro iny izay no nisy tranga tahaka izao teny amin’ny lalan’ny Mandraka. Mampitaraina ny maro izay mampiasy an’iny lalam-pirenena iny izany satria mafy tokoa ny mahazo azy ireo. Ratsy sy malama ny lalana ka izay no mahatonga izao fivadihana fiara miteraka fitohanana izao, raha ny nambaran’ny olona iray izay naneho hevitra manoloana izao ny zavamisy. Nilaza ireto farany fa ny haratsin’ny lalana no mahatonga ny lozam-pifamoivoizana eny. Miteraka fatiantoka ho azy ireo ny fahasimban’ny fiara vaventy ny lalana ratsy. Taraiky ihany koa ny fotoana ahavitana ny entana izay mbola miteraka fatiantoka hatrany raha ny namafisin’ny SCPM na ny fivondronan’ny mpitondra « camion » eto Madagasikara andro vitsy lasa izay.
Princy Lucas
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT