Sahirana ny mpampiasa ny lalam-pirenena faharoa, omaly alakamisy 21 febroary antoandro.
Fiara kamio 5 mitondra kaontenera no indray nihitsoka nilahatra nibahan-dalana teo an-tenantenam-piakarana eo Mandraka. Voasembantsembana tanteraka ny fifamoivoizana mampitohy an’Antananarivo sy ny renivohitry ny Betsimisaraka, nanomboka ny misandratr’andro. Raha iverenana ny tranga, ny telo avy any Toamasina hitodi-doha hiakatra ny renivohitra. Araka ny filazan'ny nanatri-maso, nisy tsy fahatomombanana ara-teknika tao amin’ny fiara voalohany raha teo am-pandadizana niakatra iny ka tsy afa-nihetsika. Nandalo anefa ny faharoa ary somary nananosarotra ny familiana, raha niala izany ka niafara tamin’ny fialana ny arabe ary efa saika nivarina tanaty hantsana mihitsy aza. Mbola nanampy trotraka koa moa ny fironjonana "ballotage". Io fiara lehibe io no tena voa mafy satria akoatra ny vatany nikaperotra, vaky koa ny kodiarana aoriana. Niditra teo anelanelan’izy roa simba ny fahatelo izay vao mainka nanidy tanteraka ny lalana. Tsy voafehy koa ny familiana ary niampy fahavoazana ara-teknika nony nifanitsy ireo an-daniny sy an-kilany samy efa nihitsoka ka zary lasa rindrina teo izy telo ireo izay niara-taraiky. Mbola nisy roa ambiny koa tra-pahavoazana teo izay avy aty Antananarivo hizotra ho any Toamasina. Voalaza fa fahasimbana ara-teknika avokoa ireo. Marihina fa tsy nisy ny aina nafoy fa ny fahavoazana ara-materialy no nitranga. Hatramin’ny fotoana nanoratanay, tsy mbola nisy vahaolana ny amin’reo fiara be 5 ka niteraka fitohanana goavana. Nananosarotra tanteraka ny fifamoivoizana fa ireo fiara tsy mataho-dalana sy ny madinika afaka nitapify moramora ambadiky ny iray izay tsy sisiny loatra. Velon-tahotra ireo mpandeha hody lavitra amin’ny tebiteby ny mety ho fisian’ny fanakanan-dalana amin’ny alina sy ny fidirana anaty haizina any amin’ny toerana iantsonana tahaka ny ao Tanambao V, Toamasina sy ny eto an-drenivohitra izay tsy milamina tanteraka.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.