Fifamoivoizana

Mandraka RN 2 Fiarabe iray nibahan-dalana


  • Talata 16 Janoary 2018

Tapaka tanteraka ny lalana ao Mandraka hatramin’ny omaly hariva nanoratanay.

Nisy fiara roa lehibe nifanena  mitondra kaontenera tsy afa-mihetsika  mantsy tao amin’iny lalam-pirenena faharoa iny ka nihitsoka avokoa ireo fiara rehetra tany aorianany. Nitohana ny fifamoivoizana, tranga nanomboka ny  alahady lasa teo. Betsaka tamin’ireo olona namonjy  asa sy fianarana teto an-drenivohitra nanao faran’ny herinandro tany amin’iny faritra  iny no taraiky teny an-dalana ka velon-taraina sy nikaikaika tanteraka. Ny môtô no mba hany fitaovam-pitaterana nindramina nitatitra azy ireo izay marihina fa nisy nanararaotra ihany koa ny sasany.  Lalana  2 km eo ho eo mantsy no nandoavana vola an’aliny, tsy mbola afaka nandeha anefa ireo olona avy notaterina ireo fa tsy maintsy mbola niandry indray avy eo. Toraka izany koa ireo taksibrosy izay efa nandry indray alina teo amin’ny toerana nijanonany mihitsy ny sasany ka tara fidirana teto an-drenivohitra… Miantso ny tokony hanarahan’ny tompon’andraikitra  maso  ny entana hoentin’ireo fiarabe mihazo iny lalam-pirenena faharoa iny ny mpampiasa lalana rehetra mba tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao intsony. Marihina moa fa anisan’ny lasibatra tao anatin’ireo mpandeha tsy afaka nivoaka an’i Mandraka ireo ihany koa ireo mpanao gazety nanaraka ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT