Fifamoivoizana

Manapoaka sarom-bilany ny Taxi Manome 12 andro ny Filoha hanesorana ny ben’ny tanàna


  • Alatsinainy 28 Martsa 2022

Vao fanairana dia efa vavany hatrany ! Horakoraka sy fikapokapoana takotra, sotrobe,… no nentin’ny Fikambanan’ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra na ny FTAR tarihin-dRaharinirina Clémence ny tsy fahafalian’izy

 ireo amin’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina izay notohanan’izy ireo tany aloha. Tezitra noho afitsoky ny mpitantana ny CUA ny FTAR izay voalaza fa 6500 eo ny mpikambana. Vao solontenan’ny « Parking » an-jatony, dia hendratretra sy naneho fa tena afaka manapoaka ny sarom-bilany eto an-dRenivohitra. Raikitra ny fivelesana takotra, vilany,… tamin’ny hetsika fanairana tetsy amin’ny Foiben’ny FTAR Ankazomanga omaly. Tofoka amin’ny mpitantana noho ny tsy fandraisana fepetra mikasika ny “Taxi-moto”, izay efa notsipahan’ny Filankevitry ny tanàna saingy tsy misy resaka fanenjehana sy fisamborana, Ny “Parking” nahena, nesorina ny teo Behoririka ary nomena ny taxi-moto,... Ny sazy ho an’ny taxi nakarina any hatrany amin’ny 2 tapitrisa Ar kanefa ny vola tsy miditra, ny asa tsy misy ka isan’ny ambaran’izy ireo fa fositra ny Taxi-moto. Tsy izao no nifanarahana, leo amin’ny tsy firaharahiana izahay na niezaka nitady marimaritra iraisana aza, noraisina ho hevitra fa tsy nisy vahaolana sy fanatanterahana, hoy ireo Solontenan’ny Taxi. Nampiakarina ny sazy natao tamin’ny « taxi », izay fantatra fa tsy misy vola miditra kanefa dia mbola saziana hatrany amin’ny tapitrisa Ar. Nampanantenaina fa hatao nomerika ny « licence », ka rehefa tonga teo amin’ny 3325 ny nanao izany, nomena ny sarety, fa ny taxi najanona, ary ankehitriny nomena ny mpivarotra. Misy olona ato aminay 3000 ny fanavaozana “licence”, izay mandry andriran’antsy satria tsy fantatra hoe: atao ahoana ilay tapaka taratasy. Notsipihin’ireo taxi, fa tsy misoratra io hoe: “licence” fa soratra fotsiny maneho fampahafantarana ny anarana sy ny fiara, tsy misy soratra mombamomba ny tombony. Amin’ny lafiny ara-panjakana, rehefa nandoa hetra toy ny tao amin’ny boriborintany faha-6, dia notsipahan’ny tompon’andraikitra (sefo), ary nolazain’ny tao hoe: “tsy fantatray ity tapaka taratasy kely entinao ity”, ka mahatsiaro ho voafitaka ny Taxi. Nambara fa hafaingaina ny “mutation”, “changement de materiel”, saingy tsy izay no tena zava-miseho, hoy ny FTAR.
MANOME 12 ANDRO
“Manoloana ny fivadiham-pitokisana, mangataka amin’ny Filoham-pirenena mba hanala ny ben’ny tanànan’Antananarivo izahay, ary mampahatsiahy fa raha tsy foana ny “taxi-moto” ao anatin’ny 12 andro, dia hanao filaharam-be manodidina an’Antananarivo, hotapahanay ny làlana. Manome fe-potoana 12 ho an’ny Filoham-pirenena ihany koa mba hanesorana ny ben’ny tanànan’Antananarivo satria mpivadi-pitokisana sady efa nandika lalàna”, hoy ny FTAR tamin’ny alalan’Atoa Alain Andriamanarivo. Raha tsy tanteraka ny fanafoanana ny taxi-moto sy fanesorana ny ben’ny tanàna dia hidina an-dàlana izahay. “Miala ny ben’ny tanàna”, “miala ny taxi-moto!”, “tsy hisy handoa hetra izahay raha tsy foana ny taxi-moto”,… hoy ireo taxi. Nampitandrina ihany koa ireo taxi eo anatrehan’ny endrika ramatahora sy fandrahonana mahazo ny Filohan’ny FTAR Rtoa Clémence Raharinirina, fa hahita loza raha mikitikitika ity farany.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT