Fifamoivoizana

Manao solomaso mainty mitondra fiara Tena tsy azo hatao fa mety hampidi-doza


  • Alakamisy 08 Martsa 2018

Betsaka ireo mpamily lasa misatroka sy manao solomaso mainty tato ho ato rehefa mamily fiara. Voakasik’izany manokana ireo mpamily taxi-be nefa mitondra mpandeha marobe tokoa.

 

 Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny mpampianatra mpamily fiara DIDA eny Anosimasina Itaosy dia tena tsy azo hatao tokoa ireny fihetsika ireny fa mety hampidi-doza.  Raha marary maso mantsy ilay mpamily hoy Atoa Harinelina dia tokony solomaso fotsy no hanaovany ary raha manana olana hafa ankoatra izany izy dia ny BMM etsy Isotry mihitsy no manapa-kevitra  rehefa manao “visite médicale” ilay mpamily. Tsy  tokony hisy hanelingelina ny fahitan’ny mpamily amin’ny fotoana hitondrany fiara hoy hatrany izy, eny hatramin’ny tsy fahafahany mandray finday sy miresaka aman’olona. Na izany aza anefa dia nomarihiny fa azo hiafiana ihany ny satroka ho an’ireo fiara tsy misy ireny karazana fiarovana amin’ny hain’andro ireny. Nomarihin’ity tompon’andraikitra ity moa fa  misy hatrany ireo olona miroso amin’ny fianarana mamily fiara amin’izao. Eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 30 taona no betsaka indrindra amin’izany ka lehilahy ny ankamaroany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT