Fifamoivoizana

Manao pi-maso amin’ny Afreximbank Mbola tsy misy ny vola hanaovana « autoroute »


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2022

Ny avy amin’ny Afreximbank no nihaona tamin’ny delegasionina Malagasy teo amin’ny andro fahadimin’ny Fihaonambe isan-taonan’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena.

Noraisin’ny Profesora Okey Oramah, Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Afreximbank sy ny ekipany ny Delegasiona. Ny Afreximbank dia manamora sy mamatsy vola ny sehatry ny varotra amin’ny tsena anatiny sy tsena iraisam-pirenena, mba hanosehana ny fisokafana amin’ny lalam-barotra maro isan-karazany eto Afrika, araka ny tatitry ny ny Fanjakana Malagasy. Nambara fa vonona hampiasa 60 lavitrisa Dolara ity Banky ity hamatsiana ireo tetikasa fanamboaran-dalana aty Afrika. Araka izany dia niompana indrindra tamin’ny sehatry ny angovo, toy ny JIRAMA, sy ny fotodrafitrasa momba ny làlana ny fihaonan’ny roa tonta. Efa misy famatsiam-bola amin’ny taha ambany, mitentina 200 tapitrisa Dollars vonona ao amin’ity banky ity hamatsiana ireo tetikasa fanamboarana lalambe (autoroutes) eto Madagasikara, hoy hatrany ny tatitra. Tsara ny manamarika fa manodidina ny 3 miliara dolara eo ny vola ilaina hanatanterahana an’io lalambe migodana io. Efa tany amin’ny volana may teo no tany Eypte ny Minisitry ny asa vaventy Jerry Hatrefindrazana, ka nivoaka tamin’izany fa tsara toerana ny orinasa Ejiptianina hanao ny làlam-be migodana, raha ny sinoa no nalaza teo aloha, saingy mbola tsy manomboka hatreto, fa to any pi-maso amin’ny mpamatsy vola no betsaka. Efa ela no noresahina fa notapahina tamin'ny filankevitry ny governemanta ary nohamafisina tamin'ny filan-kevitry ny minisitra ny fanomezan-dalana ny ministeran'ny asa vaventy hanao ilay antsoina hoe “dialogue compétitifs”, izay dingana anakiray avelan'ny lalàna hanao ilay asa.Ireo orin'asa nanao “offre technique” dia miainga amin'io anaovana ny “offre financière”. Rehefa vita io “dialogue compétitif” io dia fantatra hoe iza ny orinasa hanao ny asa ka dia aroso amin'izay. Asa rahoviana marina? Ny 2023 efa ho avy!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT