Fifamoivoizana

Manao avo vava ny Minisitry ny asa vaventy “Manana 549 miliara ny FR ka izay 10% ve tsy ho voaloa…”


  • Talata 09 Novambra 2021

Somary nampiaka-peo sy nanangam-bovona ny Minisitry ny asa vaventy Atoa Gerry Hatrefindrazana omaly teo anatrehan’ny raharaha fitakian’ireo mpandraharaha nanao làlana ny volany, izay

 efa tamin’ny faran’ny taona 2020 no vita. Efa am-bolana maro ny fitakiana, saingy toa resaky ny moana sy ny marenina teo hatrizay, fa amin’izao vao mety hivaha ho an’izay mahafa-po ny Fanjakana. “Manam-bola ny FR (Fond Routier), ny vola ao anaty kaontin’ny FR ao amin’ny tahirimbolam-panjakana dia 549 miliara Ar, 56 lavitrisa Ar fotsiny amin’io, izay manome 10% ny amin’io fotsiny no tokony haloa amin’ireny orinasa ireny. Nisy ny fitiliana voatery tsy maintsy natao, ny antony, dia nanajanonana ny fandoavana dia lazaina mazava tsara fa tsy resaka ara-bola”, hoy io minisitra io. Tsy ampy ny fitiliana, nandeha ny “inspection”, rehefa natao ny fitiliana in-telo miantoana, nandeha ny fitsirihana, mbola nomena andraikitranandeha ihany koa ny fitsirihan’ny governora hanaraha-maso ny asa tamin’ny FR. Hisy komity hatsangana amin’ny faran’ity herinandro ity, hidina any an-toerana miaraka amin’ny orinasa, horesahina hoe: mbola vonona hamita ny asa ve? Rehefa mahafa-po araka ny ny nifanarahana izay vao aloa ny vola, raha ny fanazavana. Mirehareha ho manam-bola ny Fanjakana, saingy am-bolana maro vao mahava olana raha mahavaha. Moa misy ifandraisany amin’ny resaka asa mbola tsirihana àry ve ny tsy nandoavana ny volan’ny mpandanja fiara efa ho 8 volana sa iza no mandoa an’ireny? Izao mandeha gaboraraka ny kamio, ary misy ny mitondra enta-mavesatra manimba zavatra,… Mirehareha ho manam-bola sy mbola manao vava hafahafa hoe: izay 10% fotsiny ko nahoana no efa fitakiana lavareny vao hoe: hanangana komity manokana sy handeha hidina ifotony hanao fanadihadiana fa tsy natao hatry ny ela ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT