Fifamoivoizana

Manangam-bovona ny Fanjakana “Efa nahazo ny fankatoavana rehetra ny teleferika”


  • Alarobia 15 Desambra 2021

Notanterahina tetsy amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina omaly ny ambara fa fampandraisana anjara ny vahoaka ny fanombanana ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy ny tetikasa “Téléphérique”

 nataon’ny Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana na ONE. Nambara fa tsy misy olana, saingy tsiahivina fa efa nolavin’ny Filankevitry ny tanànan’Antananarivo io, kanefa nisy ny karazana tetikady nentina nanomezana fahefana ny mpanatanteraka tsy handray fanapahan-kevitra tsy mila fankatoavan’ny mpanolontsaina. Trosa amin’ny anaran’ny Malagasy mitentina 151 tapitrisa euros arahina zanabola no hanaovana ny tetikasa, saingy olom-bitsy no nalaina ny heviny. Adihevitra goavana ihany koa ny momba ny ahiahin’ny mpino katolika, ary ny gazetin’io Fiangonana io mihitsy no nanao tsikera goavana momba ny fitaingenan’ny teleferika eo ambonin’ny fiangonana. “Misy ampahan’olona milaza, fa rehefa mandalo eo anoloan’ny Katedraly Andohalo dia manitsakitsaka ny hasina sy ny fiandrianana. Ny tenako mihitsy no namory ny Arsevekan’Antananarivo sy ny Filankevitry ny diosezy, ahitana ny olona rehetra mpanapa-kevitra. Nandalo tao amin’ny katedraly mihitsy io nankao amin’ny zaridainan’Andohalo, fa nitadiavina hevitra ara-teknika, ka nafindra aty aloha, fa tsy mandalo eo amboniny. Efa nankatoavin’ny Filankevitry ny diosezy niaraka tamin’ny Arseveka io, ka tsy misy intsony rafitra ambonin’izany na olona hilaza fa tsy natao izany fakan-kevitra izany”, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao Atoa Gérard Andriamanohisoa, fa ny tenany. Nambara fa amin’ireo gara 12 ampifandraisina, dia tanim-panjakana avokoa no hasiana azy, tsy misy na tany tsy miankina na iray aza. Amin’ireo andrin-jiro 178 mitovy amin’ny andrin-jiron’ny Jirama misy 30 m mahery ny sasany no handalo eny anelanelany. Hanaovana fandavahana lalina hatrany amin’ny 30m ahitana ny vato mafonja hametrahana ny fototra. Ao ambanin’ny tany eny Anosy Mahamasina, ohatra, dia nambara fa misy granite mainty be. Nambara fa tsy manana olana amin’ny maha vakoka ny tanàna. Tsy mihoatra ny 14m ny haavon’ny trano eny Andohalo. Ny Gara hapetraka eny, dia manaja ny taotrano misy eny, ary tsy mifanipaka ny sata momba ny maha vakoka tanàna sy ny teleferika. Nambara fa efa nisy ny fakan-kevitra “Commodo in-commodo”, saingy tsy nisy nitsipaka na iray aza, hiy ny Sekreteram-panjakana. Ho hita miandalana eny àry izany ny fizotry ny raharaha
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT