Fifamoivoizana

Manamafy ny minisitra Solika manara-penitra no afaran’i Madagasikara


  • Zoma 23 Septambra 2022

Naneho ny heviny mikasika ireo solika mitapoka hamidin’ny sasany etsy sy eroa ny Ministry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson omaly tetsy Fiadanana.

Nambarany tamin’izany fa solika manara-penitra no hafarana eto amintsika ary efa notiliana manokana vao tsinjaraina eny amin’ireo toerana voatokana hivarotana izany. Matoa misy ireny mitapoka ireny hoy izy dia eny amin’ny tobim-pivarotan-tsolika no mety misy olana. Noraisiny ohatra tamin’ireo olona mpanamboatra antsy ity zava-mitranga eto amintsika ity. Natao hitetehana zavatra ny antsy amin’ny ankapobeny hoy izy saingy tsy manakana ny sasany tsy hamono olona amin’ny antsy izany. Tsy manakana ny sasany tsy hanapoka zavatra ihany koa hoy izy ny solika hamidy eny amin’ny tobim-pivarotan-tsolika rehefa ho ratsy izy. Na izany aza anefa dia notsihiaviny fa efa misy ireo olona tratran’ny mpitandro ny filaminana izay nomarihiny fa tambajotra mihitsy. Mikasika ireo tobim-pivarotan-tsolika moa dia nambaran’ny Ministry Andry Ramaroson fa manana bokin’andraikitra mifehy azy izy ireny. Anjaran’ny fanjakana ny manara-maso izany na manana izany ilay tobim-pivarotan-tsolika na tsia hoy izy hahafahana mampanara-dalana azy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT