Fifamoivoizana

Manamafy ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka Giazana avy hatrany ireo posy sy sarety mandika lalàna


  • Alakamisy 01 Aogositra 2019

Nanamafy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka fa mandray andraikitra feno momba ireo posy sy sarety entin-tanana tsy manara-dalàna ny polisim-pirenena.

 

 

 

 Giazana avy hatrany ireto  posy sy sarety tratra mandeha eny an-dalambe amin’ny ora tsy tokony handehanany. Amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora atoandro sy amin’ny 2 ora ka hatramin’ny 4 ora tolakandro moa no ora hahafahan’izy ireo mifamezivezy eto Antananarivo Renivohitra, izany hoe tsy tokony hisy posy sy sarety hita eny amin’ny arabe amin’ny 7 ora na amin’ny 9 ora maraina. Nitsotra kosa anefa Atoa Ainanirina Estel talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka fa somary manahirana ny mandamina ireo posy sy sarety maro be izay miantso etsy amin’ny tsenan’Anosibe. Nomarihany fa ny polisim-pirenena no voalohany nanaitra ny tompon’andraikitra rehetra mba handamina sy hampanaja ny lalàna momba ny fifamezivezen’ny posy sy sarety eto an-drenivohitra ary mitohy mandray andraikitra ireo polisy mandrindra ny fifamoivoizana. Izay ny fanambarana ofisialy fa amin’ny tena izy dia misy ny polisy tena mitazam-potsiny posy sy sarety mandeha eny amin’ny arabe amin’ny ora tsy tokony hadehany eny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT