Fifamoivoizana

Manamafy ny fitakiany ny Taxi eto Iarivo “Maty izahay mpanara-dalàna amin’ny taxi-moto”


  • Talata 17 Aogositra 2021

Taorian’ny hetsika teny amin’ny Toby fiantsonana Maki Andohatapenaka ny sabotsy lasa teo, nitohy omaly ny fanangonan-tsonia nataon’ireo taxi na fiarakaretsaka eto Antananarivo Renivohitra,

 izay manao antso avo amin’ny hanafoanana ny taxi-moto. Tondroin’izy ireo ho manimba sy mamotika ny asany ny fisian’ny Taxi-moto eto Antananarivo, ary manamafy taxi fa tsy ara-dalàna izy ireo. Ny faran’ny herinandro lasa teo, efa 1500 ny Sonia voaangona. Tsy mandoa hetra, tsy misy “carte grise”, tsy manana “licence”,… ny taxi-moto, ary misy aza ny jiolahy, hoy ny ankilany. Adihevitra goavana moa ny momba ity endri-pitaterana vaovao miha mahazo laka eto Antananarivo ity. Efa maro ny manana moto eto an-dRenivohitra, ary misy ireo mampiasa izany hatao fitadiavam-bola. Raha ampitahaina amin’ny taxi, azo lazaina ho mora kokoa, kanefa haingana kokoa ihany koa. Raha saran-dàlana 12 000Ar amin’ny taxi, mety ho vita 7000Ar aminy, raha 20 000Ar mety ho lasa 10 000Ar,... hany ka misy tokoa ny olona resy lahatra satria sady maika no mora kokoa. Tsy mbola nisy kosa ny fanekena ofisialy azy io ho ara-dalàna sy afaka miasa eto Antananarivo. Tsy fitanilàna any amin’ny Taxi, ary tsy manohitra be fahatany ireo maneho hoe: aleo izy ireo hiasa fa mahavonjy amin’ny fotoan-tsarotra, io mba mora,… Mila mandinika sy mijery ihany koa anefa ny rehetra hoe: ny ankilany fesina amin’ny fandoavan-ketra sy vola pitsopitsony amin’ny kaominina, izay fandraisana anjara biriky amin’ny fampandrosoana, ny andaniny tazanim-potsiny sy manimba ny asan’ireo ara-dalàna amin’ny alalan’ny fifaninana tsy ara-dalàna na “concurrence déloyale”. Aiza intsony moa izany ny Taxi no hahita vola handoavana hetra sy handoavana ny saran’ny “licence” ampiasainy raha ho lasan’ny taxi-moto ny mpanjifa tokony ho azy? Lojika isika raha tsy mandroso satria zatra loatra miaina amin’ny gaboraraka. Tsy resaka Taxi sy Taxi-moto ihany no ahitana an’io sy afaka hanokafana adihevitra fa isan’izany ohatra ilay resaka “vente en ligne” sy ny maro hafa. Eto toa ny manara-dalàna ihany no poretina, fa ny gaboraraka toa tazanim-potsiny.

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT