Fifamoivoizana

Manakambola Ambatondrazaka Manahirana sahady ny rano miakatra


  • Alakamisy 04 Novambra 2021

Taorian’ny firotsahan’ny orana tany an-toerana omaly tolakandro dia efa manahirana ireo fiarakodia, indrindra, ireo mpandeha tongotra sy mpampiasa iny lalana manjohy ny eo amin'ny "radier" Manakambola,

 Ambatondrazaka sy ny manodidina iny, sahady ny rano miakatra, raha ny fampitam-baovao voaray. Raha ny hita hatramin’izay aza dia mahazaka irony fiarabe “sprinter” irony mihitsy ny fiakaran’ny rano eo amin’ity toerana ity rehefa tena fahavaratra. Vahaolana isan’ny nisy nanatsidika manoloana ity tranga ity ny fampiakarana mihitsy ny haavon'ny arabe. Isan’ny hita ho mila irony lala-mikodana na “autoroute” irony io mankany Ambatondrazaka io ary tena mila ilay mitingitingina ireny mihitsy, hoy hatrany ny tolo-kevitra miampy vazivazy zaritenany hoe Flyover an-jatony kilaometatra. Asa ny amin’izao fa taloha rehefa mandeha ho any Ambatondrazaka fahavaratra dia manala irony fanivanana rivotra na “filtre a air” irony ny fiara rehefa tonga eo Mandrota. Tafiditry ny rano avy hatrany raha fiara Mazda. Mila vonoina mihitsy ny maotera dia atosika ny fiara. Andrasana indray, araka izany, izay ho henoin’ny fitondram-panjakana sy ho tanterahany amin’izany sosokevitra voalaza rehetra teo izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT