Fifamoivoizana

Mamo nitondra fiara Nanimba fananan’olona dia nitsoaka fa tratra ihany


  • Talata 19 Jolay 2022

Nitrangana toe-javatra mampalahelo teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny ny 15 Jolay lasa teo. Lehilahy iray efa mamo no nitondra fiara tsy mataho-dalana iray.

Notrongisiny nandritra izany ny moto kymco g5, vitrine ana mpivarotra teo amin'ny manodidina ary fiara peugeot 505 iray nijanona teny an-toerana. Teo akaikin’ny Simad teny Ankaraobato no nitrangan’ity loza ity tokony ho tamin’ny 04 ora sy sasany hariva. Lasa nandositra avy hatrany ilay mpamily rehefa avy nandona ireo fiara sy fananan'olona ireo ary nahatsikaritra fa maromaro ny entana simba. Nandray ny andraikiny kosa ireo Polisy niasa teny amin'ny manodidina raha vantany vao nahare ilay tranga. Nenjehina ka tratra tsy lavitra teo ilay mpamily izay efa tsy tompon'ny tenany intsony noho ny alikaola be loatra nosotroiny. Nentina nanaovana fanafihadiana avy hatrany ity farany ka efa nahazo ny sazy famaizana sahaza azy.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT