Malaza Andoharanofotsy

Fiara nipotsaka hisatra nandona zaza iray


  • Alatsinainy 15 Aprily 2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Andoharanofotsy Atsimondrano,

ampitan’ny hopitaly CSB II omaly Alahady hariva tokony ho tamin’ny 05 ora tany ho any. Fiara mpitatitra entana iray no fantatra fa nipotsaka hisatra rehefa nidina an’ i Malaza ka nandona zaza iray. Raha araka ny vaovao azo teo am-panoratana omaly hariva moa dia mbola velon'aina soa aman-tsara ilay zaza ary efa nentina namonjy ny toeram-pitsaboana. Ilay fiara mpitatitra entana kosa tetsy an-daniny nifatratra tamin’ny tranon’olona vao nijanona ka nisy fahasimbany. Simba tanteraka ihany koa ilay trano izay voalaza fa tsy nisy olona tao anatiny. Tsiahivina moa fa vokatry ny olana ara-teknika mahazo ny fiara ny 80%-n’ny tranga tahaka izao raha avy amin’ny mpamily ny 20%.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay trano nifatraran’ilay fiara fitateram-bahoaka !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT