Fifamoivoizana

Mahitsy Hovita tsy ho ela ny “lalan’ny atody”


  • Zoma 12 Novambra 2021

Ao anatin'ny tena famaranana ny asa fanamboarana ny lalan’ny atody ao Mahitsy tanteraka ankehitriny ny orinasa misahana izany.

Mirefy 20 kilometatra io lalana io raha tsiahivina izay mampitohy ny Kaominina Mahitsy, Ampanotokana sy Mahazaza samy ao anatin’ny Distrikan'Ambohidratrimo.Nidina ifotony teny an-toerana, omaly 11 novambra, ny Minisitry ny Asa Vaventy, Jerry Hatrefindrazana, sy ny mpiara-miasa aminy, ankilany, niaraka tamin'ny Masoivohon'i Chine miasa eto Madagasikara, GUO Xiaomei, sy ireo mpanolo-tsainany, miaraka aminy. Mialohan'ny handraisana vonjimaika ny asa dia nampatsiahy Andriamatoa Minisitra ny hamitana araka ny tokony ho izy ireo kipitsopitsony rehetra toy ny fametahana "panneaux de signalisation" sy ny "marquage au sol", ny fanamafisana ny "protection des remblais". Nanamafy kosa ny Masoivohon'i Chine ny mbola hitohizan'izany fiaraha-miasa izany ary nilaza izy ny hijerevan'ny matihanina Sinoa ity asa ity mialohan'ny handraisana azy vonjimaika.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay lalana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT