Fifamoivoizana

Maharidaza Manjakandriana Namono zaza menavava ilay taksibrosy


  • Zoma 25 Martsa 2022

Zaza menavava iray vao 1 volana sy 22 andro monja no fantatra fa maty voadonan'ny taksibrosy teny an-tanan-dReniny ny talata maraina teo tokony ho tamin'ny 10:15, tao Maharidaza, distrikan'i Manjakandriana,

 lalam-pirenena faharoa. Fiara Sprinter avy aty Antananarivo hiazo an’i Moramanga no nandehanan’izy mianaka. Nampidin'olona teo Maharidaza ilay fiara, ka nandritra izany no nahavoadona ilay zaza teny an-tanan-dreniny.Nipitika mihitsy ilay tsy manan-tsiny ka naratra mafy rehefa niakapoka tamin’ny tany. Nandositra moa ilay taxibrosy raha nentina tao amin’ny CSB II Carion, nalefa tao amin’ny CHRD Manjakandriana ary nakarina tao amin’ny hopitaly HJRA ilay zazakely ho fanavotana ny ainy. Indrisy anefa fa tsy tana foana ny ainy. Afak’omaly Alarobia tokony ho tamin'ny 7:30 maraina moa no voasakana tao Carion, ilay fiara nandona ilay zaza raha iny nizotra ho aty Antananarivo iny. Natao famotorana ilay mpamily araka izany ary hatolotra ny fampanoavana anio raha naiditra am-balam-pamonjana 10 andro kosa ilay fiara.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay mpamily namono dia nitsoaka saingy tratra ihany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT