Fifamoivoizana

Mahajanga Nahazo fanampiana sy fiofanana ireo mpitondra botry


  • Zoma 12 Jona 2020

Amin’izao fiatrehana ny ady amin’ny covid-19 izao dia notoloran’ny CT avy any Mahajana teo aloha, Atoa Moustapha, sy ny mpikambana ao amin’ny CFM avy any amin’ny Faritr’i Melaky, Atoa Mohamady Sakra, fanampiana hoenti-miatrika an’izany toy ny “caches-bouches”

 

 

 

 niisa 500 sy savony maromaro ireo Botry miisa 40 izay ahitana olona manodidina ny 12 isan’isany eo no miasa ao aminy tsirairay. Ireto botry ireto, hoy Atoa Sacra izay mpiasan’ny botry koa tany aloha, dia mampitohy tsy tapaka ny moron-tsiraka andrefan’i Madagasikara iny miala ao Mahajanga ka mihazo an’Analalava sy Nosy Be ary Antsohihy sy Besalampy ary Sava manontolo iny sy ny any Morondava, Belo sur Tsiribihana ary mipaka hatrany Toliara mihitsy. Noho izy fivezivezen’izy ireo izany ka hifaneraseran’izy ireo tsy tapaka amin’ny olona maro, hoy ity mpikambana ao amin’ny CFM ity, dia nomena fiofanana ihany koa izy ireo hampita amin’ireo mifanerasera aminy ireo ny tsara ho fantatra rehetra mikasika ny fepetra noraisina amin’ny ady amin’ny covid-19.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT