Fifamoivoizana

Madagasikara Tena mila fanavaozana ny fifamoivoizana


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Misy ny fanavaozana apetraka amin’ny tontolon’ny fitaterana eto Madagasikara ary hojerena avokoa na ny fitaterana ana habakabaka, na ny an-dranomasina hatramin’ny taksibe miasa eto amin’ny firenena.

 

 

 Maro be ireo olan’ny fifamoivoizana ka nandray fanapahan-kevitra ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana mba hanisy vovonana manokana handrindra ny fitaterana sy ny fitohanan’ny fiara. Nohamafisin’ny minisitra Joel Randriamandrato izany ary nanamafy ny tenany fa ho hentitra ny fanaraha-maso momba ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny fiara fitateram-bahoaka rehetra. Tsy ho an’ny olon-tsotra irery ihany  mantsy ny fatiantoka fa mahazo hatramin’ny mpitatitra noho ny fitohanan’ny fiara eto Antananarivo tato ho ato. Ho santatry ny famahana olana amin'ity taona 2019 ity dia apetraka ny zotra express izay hampitohy an'Ivandry sy Talatamaty ka mandalo amin'iny lalam-baovao Tsarasaotra sy Ivato iny. Tsy hisy afa-tsy fiantsonana efatra ihany no apetraka amin’io zotra vaovao io ary entina indrindra hanalefahana ny fitohanan’ny fiara izany. Hamaha ny olana izay mampikaikaika ny mponina maro eto an-drenivohitra amin’ny fitohanan’ny fiara io lalam-baovao io ary santatra ambavarano, hoy ny minisitra. Tsy vitan’izay fa hampitomboina ireo fiara hiasa amin’ny lalam-baovao eto an-drenivohitra ary hasiam-panavaozana mihitsy ny fomba fiasa amin’ny tontolon’ny fifamoivoizana rehetra eto Madagasikara manomboka izao.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT