Fifamoivoizana

Madagasikara Misy fiantraikany amin`ny fari-piainana ny lalana simba


  • Alarobia 30 Septambra 2020

Nidina ifotony nijery ny fanmboarana ny RN 44 sy RN 3 A ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, Hajo Andrianainarivelo.

 

 

 

 Mandroso ny fanambaroana ny ampahan-dalana ao Amboasary – Marovoay, izay 20%n` ny asa no vita. Miroso ihany koa ny asa ao amin`ny renirano Lohafasika sy Manainga Zipo ary miaraka amin`izany ny fanaraha-maso ara-potoana sy araka ny fenitra, hoy ny minisitra. Nandritra izay fidianana izay no nojerevana ny fametrahana ny orinasa faharoa hanao ny kihon-dalana miala eo Amboasary mipaka any Vodihala sy ny fomba hanamboarana ny lalana eo Vohidiala hatrany Ambatondrazaka. Maro kosa ireo fotodrafitrasa simba vokatry ny rivo-doza sy andro ratsy tamin`ny taona 2019 izay mila fanarenana. Ho jerena ny fomba hanamboarana azy ireo sy fotodrafitrasa tokony hampiana mba tsy hisian` ny fahatapahan-dalana amin`ny RN44. Manentana hatrany ny minisitra mba hanajan` ny rehetra ny tontolo iainana hitandroana ny fotodrafitrasa iombonana satria misy fiantraikany lehibe amin`ny fari-piainana ny fahasimban` ny lalana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT